Ao amin’ny Bokin’i Môrmôna, zanakalahin’i Môzià Mpanjaka. Nanefa asa fitoriana i Amôna ka ny ezaka mbamin’ny zotom-pony dia nahatonga olona maro hiova fo ho an’i Kristy.
Tsy mpino izay nikatsaka ny handrava ny Fiangonana, Môzià 27:8–10, 34 .
Niseho taminy sy ny namany ny anjely iray, Môzià 27:11 .
Nibebaka ary nanomboka nitory ny tenin’ Andriamanitra, Môzià 27:32–28:8 .
Nandà ny hatao mpanjaka ka nandeha nankany amin’ny tanin’ny Lamanita hitory ny tenin’ Andriamanitra, Almà 17:6–9 .
Nifady hanina sy nivavaka mba hotarihin-dalana, Almà 17:8–11 .
Nifatotra no nitondrana azy hankeo amin’i Lamônia Mpanjaka, Almà 17:20–21 .
Niaro ny andian’ondrin’i Lamônia, Almà 17:26–39 .
Nitory tamin’i Lamônia, Almà 18:1–19:13 .
Nisaotra an’ Andriamanitra ary nentanin-kafaliana, Almà 19:14 .
Tsy nihemotra na oviana na oviana ireo olona voaovany fo, Almà 23:6 .
Nifaly tamin’ny naha-fitaovana azy teo an-tanan’ Andriamanitra ka nitondrana olona an’arivony ho amin’ny fahamarinana, Almà 26:1–8 (Almà 26 ).
Nitarika ny vahoakan’ny Antia-Nefia-Lehia ho amin’ny toerana azo antoka, Almà 27 .
Tojo fifaliana lehibe tamin’ny fihaonany tamin’i Almà, Almà 27:16–18 .