Hama Jereo koa Noa, Patriarika ao amin’ny Baiboly Zanakalahy fahatelon’i Noa, ao amin’ny Testamenta Taloha (Gen. 5:32; 6:10; Mos. 8:12, 27). Niditra ny sambofiara i Noa, ireo zanakalahiny ary ny ankohonany, Gen. 7:13. Voaozona i Kanana, zanakalahin’i Hama, Gen. 9:18–25. Ny fitondram-panjakan’i Hama dia ny an’ny patriarika ary notahiana izy tamin’ny zavatry ny tany sy ny fahendrena fa tsy mba tamin’ny fisoronana, Abr. 1:21–27. Egyptosa, vadin’i Hama, dia taranak’i Kaina, ireo zanakalahin’i Egyptosa zanakavaviny dia nonina tany Egypta, Abr. 1:23, 25 (Sal. 105:23; 106:21–22).