Amioleka Jereo koa Almà, Zanakalahin’i Almà Ao amin’ny Bokin’i Môrmôna, iraka mpitory, naman’i Almà, zanakalahin’i Almà. Novangian’ny anjely iray, Almà 8:20; 10:7. Nandray an’i Almà tao an-tranony, Almà 8:21–27. Nitory tamin-kery tamin’ny mponin’i Amônihà, Almà 8:29–32; 10:1–11. Tamingan’i Nefia, i Lehia ary i Manase, Almà 10:2–3. Nijoro ho vavolombelon’ny fahamarinana, Almà 10:4–11. Niantso ny olona hibebaka saingy nolavina, Almà 10:12–32. Nifamaly tamin’i Zezrôma, Almà 11:20–40. Nampianatra ny fitsanganana amin’ny maty, ny fitsarana ary ny famerenana ho amin’ny laoniny, Almà 11:41–45. Te hampitsahatra ny famonoana ho faty an’ireo mpino, Almà 14:9–10. Niara-naiditra am-ponja tamin’i Almà, Almà 14:14–23. Nanapatapaka ny fangejan’ny fonja tamin’ny alalan’ny finoana, Almà 14:24–29. Vavolombelona nanambara ny amin’ny Sorompanavotana, ny famindram-po ary ny fahamarinana, Almà 34:8–16. Nampianatra momba ny vavaka, Almà 34:17–28. Nandrisika ny olona tsy hanemotra ny fibebahany, Almà 34:30–41. Ny finoan’i Almà sy i Amioleka dia nahatonga ny rindrin’ny fonja hirodana, Etera 12:13.