Firaisan-kina Jereo koa Andriamanitra Tonga iray saina sy iray faniriana ary iray tanjona amin’ny Raintsika any an-danitra sy i Jesoa Kristy, ary amin’ireo olomasina avy eo. Tsara sady mahafinaritra raha ny mpirahalahy no miara-monina, Sal. 133:1. Izaho sy ny Ray dia iray ihany, Jao. 10:30 (F&F 50:43). Nivavaka Jesoa mba ho iray isika tahaka ny maha-iray Azy sy ny Ray, Jao. 17:11–23 (3 Ne. 19:23). Mananatra anareo aho, mba ho iray teny hianareo rehetra, ka tsy hisy fisarahana eo aminareo, 1 Kor. 1:10. Aoka ho lehilahy miorina ao amin’ny saina iray sy ao amin’ny fo iray, miray hina amin-java-drehetra, 2 Ne. 1:21. Tokony hanana ny fony mifamihina ao amin’ny firaisan-kina sy ny fifankatiavan’izy samy izy ny olomasina, Môzià 18:21. Nivavaka i Jesoa mba ho iray ireo Nefita mpianany, 3 Ne. 19:23. Tafaray tamin’ny vavaka mahery ary ny fifadian-kanina ny mpianatra, 3 Ne. 27:1. Ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina dia iray, F&F 20:27–28 (F&F 35:2; 50:43). Andraikitrao ny mikambana amin’ny fiangonana marina, F&F 23:7. Na inona na inona hangatahinareo amin’ny finoana, amin’ny fiombonam-bavaka dia ho azonareo izany, F&F 29:6. Raha tsy iray ianareo dia tsy Ahy, F&F 38:27. Ny Tompo dia niantso ny vahoakany hoe Ziona, satria izy ireo dia iray fo sy iray saina, Mos. 7:18.