Mijoro ho vavolombelona amin’ny herin’ny Fanahy Masina; manao fanambarana matotra ny amin’ny fahamarinana, mifototra amin’ny fahalalana na finoan’ny tena manokana.
Ny mpampionona no ho vavolombelona hanambara ahy, Jao. 15:26 .
Nandidy anay hitory sy hanambara Izy, Asa 10:42 .
Vavolombelona telo no hanambara ny fahamarinana, 2 Ne. 27:12 .
Ny herin’ny Fanahy Masina dia mitondra izany hankany am-pon’ny zanak’olombelona, 2 Ne. 33:1 .
Vavolombelona manambara an’i Kristy ny soratra masina, Jkb. 7:10–11 (Jao. 5:39 ).
Indro, manambara aminareo aho satria fantatro fa ireny zavatra izay efa voalazako ireny dia marina, Almà 5:45 (Almà 34:8 ).
Hijoro ho vavolombelon’ireo ianareo amin’ny alalan’ny herin’ Andriamanitra, F&F 17:3–5 .
Mba tiako ny hanaovanareo izay rehetra ambaran’ny Fanahy anareo, F&F 46:7 .
Naniraka anareo Aho ho vavolombelona manambara sy hampitandrina, F&F 88:81 .