Filipiana, Epistily ho an’ny
Taratasy nosoratan’i Paoly ho an’ny Olomasina tany Filipo fony izy nigadra voalohany tany Roma. Ny bokin’ny Filipiana ao amin’ny Testamenta Vaovao izany ankehitriny.
Toko 1: mirakitra ny fiarahaban’i Paoly sy ny fampianarany momba ny firaisankina, ny fanetrentena ary ny faharetana. Toko 2: manamafy fa handohalika amin’i Kristy ny olon-drehetra ary tsy maintsy miasa ho an’ny fanavotana ny tenany ny olona tsirairay. Ao amin’ny toko 3 no anazavan’i Paoly fa namoy ny zava-drehetra ho an’i Kristy izy. Toko 4: fisaoran’i Paoly ireo Olomasina Filipiana noho ny fanampiany.