Jeriko Tanàna mimanda tao amin’ny lohasahan’i Jordana, 245 metatra ambanin’ny vohon-dranomasina. Jeriko dia eo akaikin’ny toerana izay nitan’ny Isiraelita ny renirano fony izy ireo niditra voalohany ny tany nampanantenaina (Jos. 2:1–3; 3:16; 6). Namaky ady ny Isiraelita tao Jeriko, Jos. 6:1–20. Nilaza ozona tamin’i Jeriko i Josoa, Jos. 6:26 (1 Mpan. 16:34). Jeriko dia tao anatin’ny faritany notendrena ho an’i Benjamin’ny, Jos. 18:11–12, 21. Nitsidika an’i Jeriko ny Tompo tamin’ny diany farany ho any Jerosalema, Mar. 10:46 (Lio. 18:35; 19:1).