Fanetrentena Jereo koa Fahalemena; Fiavonavonana; Fo Torotoro; Halemem-panahy; Mahantra Izay mahatonga ny olona ho malemy fanahy sy ho azo anarina na ny toetry ny olona malemy fanahy sy azo anarina. Ao anatin’ny fanetrentena ny fiekena ny fianteherantsika amin’ Andriamanitra sy ny faniriantsika hanoa ny sitrapony. Nitondra efapolo taona tany an’efitra Andriamanitra hampanetry tena anao, Deot. 8:2. Nampanetry ny tenako tamin’ny fifadian-kanina aho, Sal. 35:13. Aleo zatovo malahelo hendry toy izay mpanjaka antitra adala, Mpito. 4:13. Ny Tompo dia monina ao amin’izay manetry tena, Isa. 57:15. Na zovy na zovy no hanetry ny tenany tahaka ity zazakely ity, dia izy no ho lehibe indrindra amin’ny fanjakan’ny lanitra, Mat. 18:4. Izay manetry tena no hasandratra, Mat. 23:12 (Lio. 14:11; 18:14). Nanetry tena i Jesoa ka nanaiky hatramin’ny fahafatesana, Filip. 2:8 (Lio. 22:42; 23:46). Manohitra ny mpiavonavona Andriamanitra fa manome fahasoavana ho an’ny manetry tena, 1 Pet. 5:5–6 (2 Ne. 9:42). Manetre tena ao amin’ny fanetrentena lalina, Môzià 4:11 (2 Ne. 9:42; 3 Ne. 12:2). Ampy va ny fanetrentenanareo, Almà 5:27–28. Ny ampahany nanetry tena kokoa tamin’ny vahoaka dia nanjary nahery kokoa tao amin’ny fanetrentenany, Hel. 3:33–35. Omeko ho an’ny olona ny fahalemena mba hahazoany mietry, Ete. 12:27. Ahazoana mandray ho amin’ny batisa ny fanetrentena, F&F 20:37. Manetre tena eo anoloako ianareo dia hahita Ahy ary hahafantatra fa Izy Aho, F&F 67:10. Aoka ianao hanetry tena, dia homen’ny Tompo valiny ny fivavakao, F&F 112:10. Aoka izay tsy manam-pahalalana hianatra fahendrena amin’ny fanetrena ny tenany, F&F 136:32. Ny Fanahy dia alefa mba hanazava ny manetry tena, F&F 136:33.