Famindram-po Jereo koa Fahamarinana (fitsarana, lalàna); Fahasoavana; Jesoa Kristy; Mamela; Sorompanavotana Fanahin’ny fangorahana, lemim-panahy ary famelan-keloka. Ny famindram-po dia iray amin’ny toetran’ Andriamanitra. Manolotra famindram-po amintsika i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny sorompanavotana. Andriamanitra dia mamindra fo sy miantra, Eks. 34:6 (Deot. 4:31). Mandrakizay ny famindram-pony, 1 Tan. 16:34. Fahasoavana sy famindram-po no hanaraka ahy, Sal. 23:6. Endrey ny fahasambaran’izay mamindra fo amin’ny ory, Ohab. 14:21. Famindram-po no sitrako, fa tsy fanatitra alatsa-dra, Hosea 6:6. Sambatra ny mamindra fo; fa izy no hahazo famindram-po, Mat. 5:7 (3 Ne. 12:7). Lozanareo mpihatsaravelatsihy izay mandoa ny fahafolon’ny solila ary mamela izay lehibe amin’ny lalàna, ny rariny, ny famindram-po ary ny finoana, Mat. 23:23. Aoka ho mpamindra fo ianareo mba ho tahaka ny Rainareo mpamindra fo, Lio. 6:36. Tsy avy tamin’ny asa amin’ny fahamarinana izay nataontsika, fa araka ny famindram-po kosa no namonjeny antsika, Tito. 3:5. Ny famindram-pon’ny Tompo dia amin’ireo rehetra, 1 Ne. 1:20. Tsy manan-jo amin’ny tsy mibebaka ny famindram-po, Môzià 2:38–39. Andriamanitra dia feno famindram-po amin’izay rehetra mino ny Anarany, Almà 32:22. Ny famindram-po dia afaka manefa ny fitakian’ny fahamarinana, Almà 34:16. Moa heverinao va fa ny famindram-po dia afaka mandroba ny fahamarinana, Almà 42:25 (Almà 42:13–25). Velona ao amin’i Kristy ny ankizy madinika noho ny famindram-pony, Môrô. 8:19–20 (F&F 29:46). Efa nanonitra ho an’ny fahotanareo ny sandrin’ny famindram-pon’i Jesoa Kristy, F&F 29:1. Amin’ny alalan’ny rako izay efa nalatsako no efa nitalahoako teo anoloan’ny Ray ho an’ireo izay mino ny anarako, F&F 38:4. Ireo izay nitana ny fanekempihavanana dia hahazo famindram-po, F&F 54:6. Izaho Tompo dia mamela ny fahotana ary feno famindram-po amin’ireo izay miaiky ny fahotany amin’ny fietreny fo, F&F 61:2. Izaho Tompo dia maneho famindram-po amin’ny malemy fanahy rehetra, F&F 97:2. Ary izay mandray anao tahaka ny ankizy madinika dia mandray ny fanjakako; ary sambatra izy fa hahazo famindram-po, F&F 99:3. Famindram-po no handeha eo anoloan’ny tavanao, Mos. 7:31.