Famonoan’olona Jereo koa Famaizana ho Faty; Kaina Famonoana olona iniana atao sy tsy mari-pototra. Fahotana nomelohina hatrany am-boalohany ny famonoan’olona (Gen. 4:1–12; Mos. 5:18–41). Izay mandatsaka ny ran’olona dia mba halatsak’olona kosa ny rany, Gen. 9:6 (DJS, Gen. 9:12–13; Eks. 21:12; Almà 34:12). Aza mamono olona, Eks. 20:13 (Deot. 5:17; Mat. 5:21–22; Môzià 13:21; F&F 59:6). Hoy Jesoa, aza mamono olona, Mat. 19:18. Ny mpamono olona dia hanana ny anjarany amin’ny fahafatesana faharoa, Apôk. 21:8. Ianareo dia mpamono olona ao am-ponareo, 1 Ne. 17:44. Lozan’ny mpamono olona izay minia mamono, 2 Ne. 9:35. Nandidy ny olona ny Tompo Andriamanitra tsy hamonoany olona, 2 Ne. 26:32. Fahavetavetana eo anatrehan’ Andriamanitra ny famonoana olona, Almà 39:5–6. Izay mamono olona dia tsy hahazo famelana, F&F 42:18. Raha misy olona mamono olona, dia hatolotra ny lalàn’ny tany izy, F&F 42:79.