Mitory Jereo koa Asa Fitoriana; Filazantsara Mitondra hafatra izay manome fahatakarana bebe kokoa ny fitsipika na fotopampianaran’ny filazantsara. Ny Tompo efa nanosotra ahy hitory teny soa mahafaly amin’ny mpandefitra, Isa. 61:1 (Lio. 4:16–21). Mitsangàna, ka mankanesa any Ninive, ary mitoria aminy, Jon. 3:2–10. Ary tamin’izany andro izany, dia nanomboka nitory teny i Jesoa, Mat. 4:17. Mandehana amin’izao tontolo izao hianareo, ka mitoria ny filazantsara amin’ny olombelona rehetra, Mar. 16:15. Izahay mitory an’i Kristy voahombo tamin’ny hazo fijaliana, 1 Kor. 1:22–24. Nandeha ary nitory teny tamin’ireo fanahy tao an-tranomaizina Izy, 1 Pet. 3:19. Ary tsy nisy afa-tsy ny fitoriana no hanairana azy lalandava ka hitanana azy amin’ny fahatahorana ny Tompo, Enô. 1:23. Izy dia nandidy azy ny tsy hitoriany afa-tsy ny fibebahana sy ny finoana ny Tompo, Môzià 18:20. Ny fitorian-teny dia nanana fironana lehibe hitarika ny olona hanao izay marina, Almà 31:5. Tsy tokony hihevitra ianao fa antsoina hitory, raha tsy efa antsoina ianao, F&F 11:15. Tsy homena na iza na iza ny handeha hitory ny filazantsarako raha tsy natokana izy, F&F 42:11. Ary izany filazantsara izany dia hotorina amin’ny firenena rehetra, F&F 133:37. Nanomboka notoriana hatrany am-piandohana ny Filazantsara, Mos. 5:58.