Fahavetavetana Jereo koa Fahotana Ao amin’ny soratra masina, zavatra izay mahatonga rikoriko sy fankahalana ho an’ny olona marina sady madio. Fahavetavetana eo imason’i Jehovah ny molotra mandainga, Ohab. 12:22. Fahavetavetana eo imason’ny Tompo ny avonavona, Jkb. 2:13–22. Ahiboka ao amin’ny fahitana ny fahavetavetany ihany ny olon-dratsy, Môzià 3:25. Ny tsy fahadiovam-pitondrantena dia tena fahavetavetana indrindra noho ny fahotana rehetra afa-tsy ny famonoana olona sy ny fandavana ny Fanahy Masina, Almà 39:3–5. Mirehitra amin’ny fahavetavetany ny fahaviniran’ny Tompo, F&F 97:24.