Helamàna, Ireo Zanakalahin’i Jereo koa Antia-Nefia-Lehia; Helamàna, Zanakalahin’i Almà Ireo zanakalahin’ny Lamanita niova fo ao amin’ny Bokin’i Môrmôna, fantatra amin’ny hoe Amônita, izay nanjary mpiantafika niandraiketan’i Helamàna (Almà 53:16–22). Noheverin’i Helamàna ho mendrika ny hatao hoe zanany izy ireo, Almà 56:10. Efa nampianarin’ny reniny izy ireo tsy hiahiahy ny fahafahan’ny Tompo manafaka azy ireo, Almà 56:47. Nandresy ny Lamanita izy ireo ary notsimbinin’ny finoany fatratra ka tsy nisy voavono, Almà 56:52–54, 56; 57:26.