Ady tany An-danitra Jereo koa Fiainana Talohan’ny Fiainana An-tany; Fivoriana tany An-danitra Ny fifanoherana izay nisy teo anivon’ireo fanahy zanak’ Andriamanitra tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana. Nazera avy any an-danitra ho ety an-tany i Satana, Apôk. 12:4, 7–9. Nazera ny devoly sy ny ampahatelon’ny lanitra, F&F 29:36–37. Nikomy tamin’ny Zanaka Lahitokana i Losifera, F&F 76:25–26. I Satana dia nitady ny voninahitry ny Ray ary nikatsaka ny handrava ny safidin’ny olona, Mos. 4:1–4 (Isa. 14:12–15; Abr. 3:27–28). Ireo izay nanaraka an’ Andriamanitra dia nitana ny toetrany voalohany, nankety an-tany ary nandray vatana, Abr. 3:26.