Mialona Jereo koa Mitsiriritra; Saro-piaro Araka ny soratra masina, ny maniry zavatra izay an’olona dia ratsy. Feno fialonana ireo patriarika ka nivarotra an’i Josefa tany Egypta, Asa 7:9. Ny fitiavana tsy mialona, 1 Kor. 13:4 (Môrô. 7:45). Ny fialonana dia avy amin’ny fiavonavonana, 1 Tim. 6:4. Fa izay misy fialonana dia misy fikorontanana mbamin’ny asa ratsy rehetra, Jak. 3:16. Nandidy ny olona ny Tompo tsy hialonany, 2 Ne. 26:32. Tsy nisy fialonana teo anivon’ny vahoakan’i Nefia, 4 Ne. 1:15–18. Ny fialonana sy ny fisafoahaky ny olona no zavatra fahitako nandritra ny androm-piainako rehetra, F&F 127:2.