Maharitra Jereo koa Faharetana; Fahoriana; Fakam-panahy Miorina mafy amin’ny finiavana tsy ho diso amin’ireo didin’ Andriamanitra na dia eo aza ny fakam-panahy, ny fanoherana ary ny fahoriana. Izay maharitra hatramin’ny farany no hovonjena, Mat. 10:22 (Mar. 13:13). Tsy manam-paka ireny ka tsy maharitra afa-tsy fotoana fohy, Mar. 4:17. Ny fitiavana maharitra ny zava-drehetra, 1 Kor. 13:7. Rehefa niaritra fatratra tokoa i Abrahama dia nahazo fampanantenana, Heb. 6:15. Raha maharitra hatramin’ny farany izy dia hasandratra amin’ny andro farany, 1 Ne. 13:37. Raha mankatò ny didy ianareo sy maharitra hatramin’ny farany dia hovonjena, 1 Ne. 22:31 (Almà 5:13). Raha mibosesika handroso ianareo, ka mivoky amin’ny tenin’i Kristy ary maharitra hatramin’ny farany, dia hahazo ny fiainana mandrakizay, 2 Ne. 31:20 (3 Ne. 15:9; F&F 14:7). Na zovy na zovy no mitondra eo aminy ny anarako sy maharitra hatramin’ny farany, dia hovonjena, 3 Ne. 27:6. Na zovy na zovy no maharitra amin’ny fiangonako hatramin’ny farany, dia izy no haoriko eo amin’ny vatolampiko, F&F 10:69. Izay maharitra amin’ny finoana no handresy izao tontolo izao, F&F 63:20, 47. Ny fanjakana sy ny fanapahana rehetra dia hatolotra ireo rehetra izay efa niaritra tamin-kerim-po noho ny filazantsaran’i Jesoa Kristy, F&F 121:29.