Synagoga
Toeram-pivoriana nampiasaina amin’ny tanjona ara-pivavahana. Tamin’ny andron’ny Testamenta Vaovao, dia matetika no tsotra ny fanaka tao anatiny: vata mirakitra ireo horonan-dalàna sy asa soratra masina hafa, latabatra famakian-teny ary seza ho an’ireo mpivavaka.
Ny kôlejin’ny loholona eo an-toerana no mitantana ny synagoga tsirairay. Izy ireo no manapa-kevitra ny amin’ny olona tokony horaisina na tsia (Jao. 9:22; 12:42). Ny mpanapaka ny synagoga no manampahefana ambony indrindra (Marka 5:22; Lioka 13:14). Mpanora-dalàna izy matetika, ary nikarakara ny trano sy niandraikitra ny fanompoam-pivavahana. Ny mpanao raharaha no nanatanteraka ny fiandraiketan-draharaha (Lio. 4:20).
Nisy synagoga tamin’ny tanàna rehetra niainan’ny Jiosy, na tany Palestina izany na tany an-toeran-kafa. Nanampy betsaka tamin’ny fanaparitahana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy izany, satria ireo misiônera voalohan’ny fiangonana dia afaka niteny tao amin’ny synagoga mazàna (Asa 13:5, 14; 14:1; 17:1, 10; 18:4). Ny fanao toy izany dia hita koa teo anivon’ireo misiônera ao amin’ny Bokin’i Môrmôna (Almà 16:13; 21:4–5; 32:1) sy teo anivon’ireo misiônera voalohany amin’izao fotoampitantanana izao (F&F 66:7; 68:1).