Manafintohina Mandika lalàn’ Andriamanitra, manota, na miteraka fikorontanana na fahavoazana, ary koa mahatezitra na manorisory. Ny mampionona ny rahalahy voaisy ratsy dia sarotra noho ny manafaka vohitra mafy, Ohab. 18:19. Fa raha ny masonao ankavanana no manafintohina anao, dia esory hiala izy, Mat. 5:29. Fa na zovy na zovy no hanafintohina na dia iray aza amin’ireny madinika mino Ahy ireny, dia tsara lavitra ho azy raha alentika any amin’ny ranomasina izy, Mat. 18:6 (F&F 121:19–22). Raha manafintohina anao ny rahalahinao na ny anabavinao ka raha mibaboka izy, dia hiombona ianareo, F&F 42:88. Tsy misy na inona na inona ataon’ny olona ka manafintohina an’ Andriamanitra afa-tsy ireo izay tsy miaiky ny tanany ary tsy mankatò ny didiny, F&F 59:21.