Fanomezana ho an’ny Tompo. Mampiasa io teny io matetika ny Testamenta Taloha hilazana ny sorona na fanatitra ho odorana. Ny Fiangonana ankehitriny dia mampiasa ny fanatitry ny fifadian-kanina sy ireo fanatitra an-tsitrapo hafa (ka isan’izany ny fotoana, ny talenta, ary ny fananana) mba hanampiana ny mahantra sy ho an’ny tanjona mendrika hafa.