Fanampiana amin’ny fandalinana
Davida


Davida

Mpanjakan’ny Isiraely fahiny ao amin’ny Testamenta Taloha.

Zanakalahin’i Jese, avy amin’ny fokom-pirenen’i Joda i Davida. Izy dia zatovolahy be herim-po, izay namono ny liona ny bera ary i Goliata, ilay olona goaiben’ny Filistiana (1 Sam. 17). Nofidina sy nohosorana ho mpanjakan’ny Isiraely i Davida. Nahavita heloka bevava toa an’i Saoly izy tamin’ny fahatanorany saingy nahay nanenina marina tokoa fa tsy mba toa an’i Saoly. Koa nahazo famelan-keloka izy afa-tsy tamin’ny famonoana an’i Oria (F&F 132:39). Azo zaraina efatra ny fiainany: (1) tao Betlehema, fony izy mpiandry ondry (1 Sam. 16–17); (2) tao an-dapan’i Saoly Mpanjaka (1 Sam. 18:1–19:18); (3) ny fandosirany (1 Sam. 19:18–31:13; 2 Sam. 1); (4) mpanjakan’i Joda tao Hebrona (2 Sam. 2–4), ary mpanjakan’ny Isiraely iray manontolo taty aoriana (2 Sam. 5–24; 1 Mpan. 1:1–2:11).

Ny fahotan’i Davida, raha nijangajanga tamin’i Batseba izy, dia narahina fahavoazana maro izay nanimba ny roapolo taona farany niainany. Tamin’ny ankapobeny, dia niroborobo ny firenena nandritra ny nanjakany, saingy izy Davida kosa dia nijaly vokatry ny fahotany. Nisy lalandava ny ady teo anivon’ny fianakaviany, izay raha ny momba an’i Absaloma sy i Adonia, dia niafara tamin’ny fikomiana an-kitsirano. Ireny fitrangan-javatra ireny dia fahatanterahan’ny ozona notononin’i Natana mpaminany tamin’i Davida noho ny fahotany (2 Sam. 12:7–13).

Na dia teo aza ireny, atambo ireny, dia ny fitondran’i Davida no namirapiratra indrindra teo amin’ny tantaran’ny Isiraely, satria (1) nakambany ho firenena tokana ireo fokom-pirenena, (2) nataony mafy orina ny fizakana tsy iadian-kevitra ny tany, (3) naoriny teo amin’ny fivavahana marina ny fitondrampanjaka ka ny sitrapon’ Andriamanitra no lalàn’i Isiraely. Taty aoriana, dia noheverina ho toy ny fotoana volamena ho an’ny firenena ny fitondran’i Davida noho ireo antony ireo ary tandindon’ny fotoana be voninahitra kokoa rehefa ho avy ny Mesia (Isa. 16:5; Jer. 23:5; Ezek. 37:24–28).

Ny fiainan’i Davida dia mampiseho ny tokony haharetan’ny olona rehetra ao amin’ny fahamarinana hatramin’ny farany. Voalaza fa tamin’ny fahatanorany, dia olona “araka ny fon” ’ny Tompo izy (1 Sam. 13:14); nony lehibe izy dia niteny tamin’ny alalan’ny Fanahy sady nahazo fanambarana maro. Saingy novidiny lafo ny tsy fankatoavany ny didin’ Andriamanitra (F&F 132:39).