Fo Torotoro Jereo koa Fanetrentena; Fibebahana; Fo; Halemem-panahy; Sorona Ny hoe manana fo torotoro dia izay manetry tena, manenina, mibebaka ary malemy fanahy—izany hoe, afaka mandray ny sitrapon’ Andriamanitra. Izaho hiara-mitoetra amin’izay manenina sy manetry tena, Isa. 57:15. Nanolotra ny tenany ho an’ireo izay manana fo torotoro sy fanahy manenina i Kristy, 2 Ne. 2:7. Atero ho sorona ho an’ny Tompo ny fo torotoro sy ny fanahy manenina, 3 Ne. 9:20 (F&F 59:8). Ireo izay manana fo torotoro sy fanahy manenina ihany no raisina amin’ny batisa, Môrô. 6:2. Nohomboana i Jesoa ho famelana ny fahotan’ny fo manenina, F&F 21:9. Izay manenina ny fanahiny no ekena, F&F 52:15. Ampanantenaina an’ireo izay manenina ny Fanahy Masina, F&F 55:3. Ny Fanahiko dia alefa mba hanazava ny manetry tena sy ny manenina, F&F 136:33.