Fotopampianaran’i Kristy Jereo koa Drafitry ny Fanavotana; Filazantsara Ireo fitsipika sy fampianaran’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Hilatsaka tahaka ny ranonorana ny fotopampianarako, Deot. 32:2. Ireo izay nimonomonona dia hianatra fotopampianarana, Isa. 29:24. Talanjona ny vahoaka noho ny fotopampianarany, Mat. 7:28. Tsy Ahy ny fampianarako fa an’izay naniraka Ahy, Jao. 7:16. Ny Soratra Masina rehetra dia mahasoa ho fotopampianarana, 2 Tim. 3:16. Izany no fotopampianaran’i Kristy, ary ny hany fotopampianarana marina an’ny Ray, 2 Ne. 31:21 (2 Ne. 32:6). Tsy hisy fifandirana eo anivonareo momba ireo lafiny amin’ny fotopampianarako, 3 Ne. 11:28, 32, 35, 39–40. Mamoky ny fon’ny vahoaka i Satana hifandirany momba ny lafiny amin’ny fotopampianarako, F&F 10:62–63, 67. Ampianaro ny ankizy ny fotopampianarana momba ny fibebahana, ny finoana an’i Kristy, ny batisa ary ny fanomezana ny Fanahy Masina, F&F 68:25. Mifampianara ny fotompampianaran’ny fanjakany, F&F 88:77–78. Ny fotopampianaran’ny fisoronana dia hitsika tsikelikely ao amin’ny fanahinao, F&F 121:45.