Misterin’ Andriamanitra Ny misterin’ Andriamanitra dia ireo fahamarinana ara-panahy tsy hay fantarina afa-tsy amin’ny alalan’ny fanambarana. Mamboraka ireo misteriny amin’ireo izay mankatò ny filazantsara Andriamanitra. Mbola hambara ny misterin’ Andriamanitra sasany. Navela ianareo hahalala ny zava-miafina ny amin’ny fanjakan’ny lanitra, Mat. 13:11. Na dia mahalala ny zava-miafina rehetra aza aho, ka tsy manana fitiavana, dia tsinontsinona aho, 1 Kor. 13:2. Nandray fahalalana be momba ny misterin’ Andriamanitra i Nefia, 1 Ne. 1:1. Efa nomena ny maro ny hahalala ny misterin’ Andriamanitra, Almà 12:9. Ny toa azy no nomena mba hahalala ny misterin’ Andriamanitra, Almà 26:22. Ireo mistery ireo dia tsy mbola ampahalalaina ahy tanteraka, Almà 37:11. Misy maro ny mistery izay tsy misy mahalala afa-tsy Andriamanitra ihany, Almà 40:3. Akory ny halehiben’ny misterin’ny toetra araka an’ Andriamanitra, F&F 19:10. Raha mangataka ianao dia handray fanambarana ary hahafantatra ireo misterin’ny fanjakana, F&F 42:61, 65 (1 Kor. 2:7, 11–14). Fa izay mitandrina ny didy no homena ny misterin’ny fanjakana, F&F 63:23. Ary amin’ireo no hambarako ny mistery rehetra, F&F 76:7. Ny fisoronana ambony dia mihazona ny fanalahidin’ny misterin’ny fanjakana, F&F 84:19. Rehefa ho avy ny Tompo, dia hambarany ny zavatra rehetra izay tsy misy olona nahafantatra, F&F 101:32–33. Ny Fisoronana Melkizedeka dia manana ny tombontsoa handray ny misterin’ny fanjakan’ny lanitra, F&F 107:19.