Habetsahan’ny fananana. Mananatra ireo olomasina ny Tompo mba tsy hikatsaka ny haren’ny tany afa-tsy hanaovan-tsoa ihany. Tsy tokony hametraka ny fikatsahana ny haren’ny tany mialoha ny fikatsahana ny fanjakan’ Andriamanitra izay mihazona ny haren’ny mandrakizay ny olomasina (Jkb. 2:18–19 ).
Raha mitombo ny harena, dia aza anorenana ny fonareo, Sal. 62:10 .
Ny harena dia tsy mahasoa amin’ny andron’ny fahatezerana, Ohab. 11:4 .
Izay matoky ny hareny dia ho lavo, Ohab. 11:28 .
Aleo ho tsara laza toy izay ho be harena, Ohab. 22:1 .
Manao ahoana ny hasarotry ny hidiran’ny manankarena amin’ny fanjakan’ Andriamanitra, Mar. 10:23 (Lio. 18:24–25 ).
Ny fitiavam-bola no fototry ny ratsy rehetra, 1 Tim. 6:10 .
Lozan’ny manankarena izay manamavo ny mahantra, ary ny hareny no andriamaniny, 2 Ne. 9:30 .
Tsy mba nanankina ny fony tamin’ny harena ny olo-marina fa nizara tamin’ny rehetra, Almà 1:30 .
Nanomboka nieboebo noho ny hareny ny olona, Almà 4:6–8 .
Nanomboka niavaka araka ny saranga ny olona, araka ny hareny, 3 Ne. 6:12 .
Aza mikatsaka harena fa fahendrena kosa, F&F 6:7 (Almà 39:14 ; F&F 11:7 ).
An’ Andriamanitra ny haren’ny tany ka Izy no manome azy; nefa mitandrema amin’ny avonavona, F&F 38:39 .
Impiry Aho no efa niantso anareo tamin’ny haren’ny fiainana mandrakizay, F&F 43:25 .
Ny haren’ny mandrakizay dia Ahy ka omena, F&F 67:2 (F&F 78:18 ).