Elià
Maro ny fampiasana ny anaran-tsamirery na ny anarana hoe Elià ao amin’ny soratra masina.
Elià
Elià ao amin’ny Testamenta Vaovao (Grika) endriky ny Elia (Hebreo) toy ny hita ao amin’ny Mat. 17:3–4, Lio. 4:25–26, ary Jak. 5:17. Amin’ireo lafiny ireo Elià dia Elia ilay Mpaminany fahiny izay voarakitra ao amin’ny Mpanjaka 1 sy 2 ny asa fanompoany.
Mpialoha lalana
Elià koa dia anaran’izay mpialoha lalana. Jaona Mpanao Batisa, ohatra, dia Elià satria nirahina izy hanomana ny lalana ho an’i Jesoa (Mat. 17:12–13).
Mpamerina ho amin’ny laoniny
Ny anarana hoe Elià dia nampitondraina koa an’ireo hafa izay nanana asa anirahana manokana mba hoefaina, toa an’i Jaona Mpanambara (F&F 77:14) sy i Gabriela (Lio. 1:11–20; F&F 27:6–7; 110:12).
Lehilahy iray tamin’ny fotoampitantanan’i Abrahama
Mpaminany iray natao hoe Esaià na Elià, izay heverina ho niaina tamin’ny andron’i Abrahama (F&F 84:11–13; 110:12).