Sambofiara Jereo koa Avana; Noa, Patriarika ao amin’ny Baiboly; Safo-drano tamin’ny Andron’i Noa Ao amin’ny Testamenta Taloha, ny sambo namboarin’i Noa hitsimbinana ny zava-mananaina nandritra ny Safo-drano lehibe. Koa, manaova sambo fiara ho anao amin’ny hazo gofera, Gen. 6:14. Nipetraka teo amin’ny tendrombohitra any Ararata ny sambo fiara, Gen. 8:4. Ireo sambon’ny Jaredita dia tsy tantera-drano tahaka ny sambofiaran’i Noa, Ete. 6:7.