Asa Fitoriana Jereo koa Filazantsara; Mitory Fizaràna ny filazantsaran’i Jesoa Kristy amin’ny teny sy amin’ny ohatra. Akory ny hatsaran’ny tongotr’iry mitondra teny soa mahafaly ery an-tendrombohitra, Isa. 52:7. Izaho no hiahy ny ondriko sy handinidinika azy, Ezek. 34:11. Mitoria ny filazantsara amin’ny olombelona rehetra, Mar. 16:15 (Môrm. 9:22). Efa masaka sahady mba hojinjaina ny eny an-tsaha, Jao. 4:35. Ary hataony ahoana no fitory, raha tsy nirahina, Roma. 10:15. Mampianara azy ny tenin’ Andriamanitra amin’ny fahazotoana rehetra, Jkb. 1:19. Ny Tompo dia manome lalana ny firenena rehetra mba hampianatra ny teniny, Almà 29:8. Mba ho azon’ny malemy sy ny tsotra ambara ny filazantsara, F&F 1:23. Asa iray mahatalanjona no efa akaiky hitranga, F&F 4:1. Ary raha toa aza ka miasa amin’ny andronareo rehetra ianareo ary mitondra na dia olona iray monja ho Ahy, akory ny halehiben’ny fifalianareo, F&F 18:15. Fa ny olom-boafidiko dia mihaino ny feoko ary tsy manamafy ny fony, F&F 29:7. Mandehana tsiroaroa hitory ny filazantsarako, F&F 42:6. Tsy maintsy miala avy eo amin’ity toerana ity ny feo, F&F 58:64. Sokafy ny vavanareo hanambara ny filazantsarako, F&F 71:1. Manambarà ny marina araka ny fanambarana sy ny didy izay efa nomeko anareo, F&F 75:4. Ilaina ny olona nampitandremana mba hampitandrina ny namany, F&F 88:81 (F&F 38:40–41). Ny Tompo no hamatsy ny fianakavian’ireo izay mitory ny filazantsara, F&F 118:3. Handeha ireo mpanompon’ Andriamanitra, F&F 133:38. Ireo loholona mahatoky, rehefa miala amin’ny toetry ny mety maty, dia manohy ny asany amin’ny fitoriana, F&F 138:57.