Jareda Jereo koa Jareda, Rahalahin’i; Jaredita Mpitarika iray ao amin’ny Bokin’i Môrmôna, izay niara-nitarika tamin’ny rahalahiny andian’olona avy tany amin’ny Tilikambon’i Babela ho any amin’ny tany nampanantenaina, any amin’ny ilam-bolantany andrefana (Ete. 1:33–2:1). Nangataka ny rahalahiny i Jareda hivavaka mba tsy hanorokoroan’ny Tompo ny fitenin’ny ankohonany sy ny namany, Ete. 1:34–37. Nanorim-ponenana teo amoron-dranomasina nandritra ny efa-taona, Ete. 2:13. Niondrana an-tsambo nankamin’ny tany nampanantenaina, Ete. 6:4–12.