Aharôna, Rahalahin’i Mosesy Jereo koa Fisoronana Aharôna; Mosesy Ao amin’ny Testamenta Taloha, zanakalahin’i Amrama sy i Jokebeda, avy amin’ny fokom-pirenen’i Levy (Eks. 6:16–20); zanakalahin’i Mosesy (Eks. 7:7). Notendren’ny Tompo hanampy an’i Mosesy tamin’ny fitondrana ny zanak’i Isiraely hivoaka an’i Egypta ary ho mpitondrateniny, Eks. 4:10–16, 27–31; 5:1–12:51. Teo an-tendrombohitra Sinay no nandraisan’i Mosesy ny toromarika momba ny fanendrena an’i Aharôna sy ny zanakalahiny efatra ho amin’ny Fisoronana Aharôna, Eks. 28:1–4. Nanao ombilahikely volamena noho ny fangatahan’ny olona, Eks. 32:1–6, 21, 24, 35. Maty teo an-tendrombohitra Hora tamin’ny faha 123 taonany, Nom. 20:22–29 (Nom. 33:38–39). Nohamafisin’ny Tompo tamin’i Aharôna sy ny taranany koa ny fisoronana, F&F 84:18, 26–27, 30. Ireo izay milofo amin’ny antson’ny fisoronana dia tonga zanakalahin’i Mosesy sy i Aharôna, F&F 84:33–34.