Fo Jereo koa Ateraka indray, Aterak’ Andriamanitra; Fo Torotoro Tandindon’ny saina sy ny finiavan’ny olona ary sarin’ny loharanon’ny fiontanana sy ny fahatsapana anaty rehetra. Tiava ny Tompo Andriamanitrao amin’ny fonao manontolo, Deot. 6:5 (Deot. 6:3–7; Mat. 22:37; Lio. 10:27; F&F 59:5). Nitady lehilahy ho Azy araka ny fony ny Tompo, 1 Sam. 13:14. Ny olona mijery ny endrika ivelany fa ny Tompo mijery ny fo, 1 Sam. 16:7. Izay manana tanana madio sy fo mahitsy no hiakatra ao an-tendrombohitry ny Tompo ary hotahina, Sal. 24:3–5 (2 Ne. 25:16). Araka izay heverin’ny olona ao am-pony ihany no toetrany, Ohab. 23:7. Elia dia hampody ny fon’ny ray ho amin’ny zanaka ary ny fon’ny zanaka ho amin’ny rainy, Mal. 3:23–24 (Lio. 1:17; F&F 2:2; 110:14–15; 138:47; JS—T 1:38–39). Sambatra ny madio am-po, Mat. 5:8 (3 Ne. 12:8). Ny olona dia miteny avy amin’ny tsara na ny ratsy ao am-pony, Lio. 6:45. Manaraha ny Zanaka amin’ny finiavan’ny fo manontolo, 2 Ne. 31:13. Efa naterak’ Andriamanitra araka ny fanahy ve ianareo ary nahatsapa fiovana mahery vaika tao am-ponareo, Almà 5:14. Atolory ho fanatitra ho an’ny Tompo ny fo torotoro sy ny fanahy manenina, 3 Ne. 9:20 (3 Ne. 12:19; Ete. 4:15; Môrô. 6:2). Hiteny ao an-tsainao sy ao am-ponao amin’ny alalan’ny Fanahy Masina Aho, F&F 8:2.