Habakoka
Mpaminanin’ny Testamenta Taloha, tao Joda, izay niteny ny momba ny fahotan’ny vahoaka, angamba nandritra ny nanjakan’i Joiakina (sahabo ho 600 taona talohan’i Kristy).
Ny bokin’i Habakoka
Ny toko 1 dia resaka eo amin’ny Tompo sy ny mpaminaniny, mitovy amin’ireo izay ao amin’ny Jeremia 12 sy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121. Sanganehana i Habakoka fa toa mahomby ny olon-dratsy. Ao amin’ny toko 2 dia notenenin’ny Tompo i Habakoka mba hanam-paharetana—ny olo-marina dia tsy maintsy mianatra ny miaina amin’ny finoana. Ny toko 3 dia mirakitra ny fivavak’i Habakoka izay nanekeny ny fahamarinan’ Andriamanitra.