Tsy Fahafatesana Jereo koa Famonjena; Fitsanganana amin’ny maty; Jesoa Kristy; Mety maty; Sorompanavotana Ny toetry ny olona natsangana tamin’ny maty ka velona mandrakizay, tsy fehezin’ny fahafatesan’ny vatana. Efa nitsangana Izy, Mar. 16:6. Tahaka izany koa no ahaveloman’ny olona rehetra ao amin’i Kristy, 1 Kor. 15:22. Voatelina ny fahafatesana rehefa mitafy ny tsy fahafatesana ity mety maty ity, 1 Kor. 15:53–54. Efa nanafoana ny fahafatesana i Kristy ary nitondra ny tsy fahafatesana, 2 Tim. 1:10. Ny tsy fahafatesana dia ny famerenana indray ny fanahy amin’ny vatana, 2 Ne. 9:13. Ny fanahy mikambana amin’ny vatana dia zary tsy mety maty ka tsy misaraka na oviana na oviana intsony, Almà 11:45. Ny mahatoky dia hampisatrohana amin’ny satroboninahitry ny tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakizay, F&F 75:5. Hohamasinina ary tsy ho mety maty ny tany, F&F 77:1 (F&F 130:9). Ny asa sy ny voninahitr’ Andriamanitra dia ny manatanteraka ny tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakizain’ny olona, Mos. 1:39.