Fisandratana Jereo koa Fiainana Mandrakizay; Olona—Olona, manan-kery ho tonga tahaka ny Ray any an-danitra; Satroboninahitra; Sorompanavotana; Voninahitra Selestialy Ny toetry ny hasambarana sy ny voninahitra ambony indrindra ao amin’ny fanjakana selestialy. Eo anatrehanao no fahafenoan’ny fifaliana, Sal. 16:11. Andriamanitra izy ireo, dia zanakalahin’ Andriamanitra—koa azy ireo ny zava-drehetra, F&F 76:58–59. Handray ny lova ny Olomasina sy hatao mitovy Aminy, F&F 88:107. Ireo anjely ireo dia tsy nitoetra tamin’ny lalàko; koa tafasaraka sy mitoetra mandrakizay ho manirery sy ho tokan-tena, tsy misy fisandratana, F&F 132:17. Tsy maintsy mivady araka ny lalàn’ Andriamanitra ny lehilahy sy ny vehivavy mba hahazoana ny fisandratana, F&F 132:19–20. Ety ny vavahady ary tery ny lalana izay mitondra any amin’ny fisandratana, F&F 132:22–23. Efa niditra ao amin’ny fisandratany i Abrahama, i Isaka ary i Jakoba, F&F 132:29, 37. Feheziko eo amboninao ny fisandratanao, F&F 132:49.