Fahalalana Jereo koa Fahamarinana (toetra); Fahatakarana; Fahendrena Fahatakarana na fahazoana an-tsaina, indrindra ny fahamarinana, araka izay ampianarana na anamarinan’ny Fanahy. Jehovah no Andriamanitry ny fahalalana, 1 Sam. 2:3. Tanteraka amin’ny fahalalana ny Tompo, Joba 37:16. Ny fahatahorana an’i Jehovah no fiandoham-pahalalana, Ohab. 1:7. Izay mahafihim-bava no manam-pahalalana, Ohab. 17:27. Ny tany ho henika ny fahalalana an’i Jehovah, Isa. 11:9 (2 Ne. 21:9; 30:15). Nalainareo ny fanalahidin’ny fahalalana, Lio. 11:52. Mihoatra noho ny fahalalana ny fitiavan’i Kristy, Ef. 3:19. Amin’ny finoanareo dia manehoa fahatanjahan-tsaina, ary amin’ny fahatanjahan-tsainareo dia fahalalana, 2 Pet. 1:5. Nanana fahalalana be momba ny hatsaram-pon’ Andriamanitra i Nefia, 1 Ne. 1:1. Ho tonga amin’ny fahalalana ny Mpanavotra azy izy, 2 Ne. 6:11. Ny marina hanana fahalalana tomombana ny amin’ny fahamarinany, 2 Ne. 9:14. Manome fahalalana ny Fanahy, Almà 18:35. Ny fahalalanareo dia tomombana amin’izay zavatra izay, Almà 32:34. Hoentina indray hankamin’ny tena fahalalana ny Mpanavotra azy ny Lamanita, Hel. 15:13. Azonareo fantarina amin’ny fahalalana tanteraka fa avy amin’ Andriamanitra izany, Môrô. 7:15–17. Hahita rakitsoa lehiben’ny fahalalana ny olomasina, F&F 89:19. Ny fahalalana madio dia mampivoatra fatratra tokoa ny fanahy, F&F 121:42. Ho an’izay manana ireo fanalahidin’ny fisoronana masina dia tsy misy fahasarotana ny fahazoana fahalalana momba ny zava-mitranga, F&F 128:11. Raha mahazo fahalalana ny olona iray eo amin’izao fiainana izao, dia hanana tombony izy any amin’ny tontolo ho avy, F&F 130:19. Tsy azo heverina ny hamonjena ny olona ao amin’ny tsy fahalalana, F&F 131:6.