Fiainana Jereo koa Fahazavana, Fahazavan’i Kristy; Fiainana Mandrakizay Fisiana ara-batana sy ara-panahy izay misy noho ny herin’ Andriamanitra. Efa nataoko teo anoloanao androany ny fiainana sy ny soa, Deot. 30:15–20. Hampahafantatra ahy ny lalan’aina Hianao, Sal. 16:11. Izay fatra-panaraka fahamarinana dia hahazo fiainana, Ohab. 21:21. Izay mamonjy ny ainy no hamery azy, ary izay mamery ny ainy noho ny amiko dia hahazo azy, Mat. 10:39 (Mat. 16:25; Mar. 8:35; Lio. 9:24; 17:33). Ny Zanak’Olona tsy tonga hahavery ny ain’olona, fa hamonjy azy, Lio. 9:56. Izy no nisiam-piainana, ary ny fiainana no fanazavana ny olona, Jao. 1:4. Izay mino ilay naniraka ahy dia tafafindra niala tamin’ny fahafatesana ho amin’ny fiainana, Jao. 5:24. Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana, Jao. 14:6. Raha amin’izao fiainana izao ihany no anantenantsika an’i Kristy, dia mahantra indrindra noho ny olona rehetra isika, 1 Kor. 15:19–22. Fa izay manana ny toe-panahy araka an’ Andriamanitra no manana ny teny fikasana ny amin’ny fiainana ankehitriny sy ny ho avy koa, 1 Tim. 4:8. Hahazoan’ny zanatsika miandrandra ny fiainana izay ao amin’i Kristy, 2 Ne. 25:23–27. Izao fiainana izao no fotoana ho an’ny olona mba hiomanana hihaonana amin’ Andriamanitra, Almà 34:32 (Almà 12:24). Izaho no fahazavana sy fiainan’izao tontolo izao, 3 Ne. 9:18 (Môzià 16:9; 3 Ne. 11:11; Ete. 4:12). Sambatra izay mahatoky sy maharitra, na eo amin’ny fiainana na ao amin’ny fahafatesana, F&F 50:5. Izao no fiainana mandrakizay—dia ny mahafantatra an’ Andriamanitra sy i Jesoa Kristy, F&F 132:24. Izao no asako sy voninahitro—ny manatanteraka ny tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakizain’ny olona, Mos. 1:39.