Ny fahefana sy hery izay omen’ Andriamanitra ny olona hiasana amin’ny zavatra rehetra ho an’ny famonjena ny olona (F&F 50:26–27 ). Ireo mpikambana lehilahy ao amin’ny Fiangonana izay mihazona ny fisoronana dia voalamina ho kôlejy ary nomena lalana hanatanteraka ireo ôrdônansy sy ireo asa momba ny fitantanan-draharaha sasany ao amin’ny Fiangonana.
Antsoina ho mpisorona avo ny lehilahy noho ny finoany fatratra sy ny asa soany, Almà 13:1–12 .
Izaho manome fahefana anao mba hanaovanao batisa, 3 Ne. 11:21 .
Ianareo dia hanam-pahefana hanome ny Fanahy Masina, Môrô. 2:2 .
Hambarako aminareo ny Fisoronana amin’ny tanan’i Elia mpaminany, F&F 2:1 (JS—T 1:38 ).
Ny Tompo dia nanamafy koa ny fisoronana tamin’i Aharôna sy ny taranany, F&F 84:18 .
Ity fisoronana ambony ity dia mitantana ny filazantsara, F&F 84:19 .
Nalainy avy teo anivon’izy ireo i Mosesy, ary koa ny Fisoronana Masina, F&F 84:25 .
Filazalazana ny fianianana sy fanekempihavanan’ny fisoronana, F&F 84:33–42 .
Efa nitohy tamin’ny alalan’ny firazanan’ireo rainareo ny fisoronana, F&F 86:8 .
Misy fisoronana roa ao amin’ny Fiangonana, F&F 107:1 .
Ny fisoronana voalohany dia ny Fisoronana Masina araka ny Lamin’ny Zanak’ Andriamanitra, F&F 107:2–4 .
Ireo zon’ny fisoronana dia mifamatotra tsy azo sarahina amin’ny herin’ny lanitra, F&F 121:36 .
Tsy misy hery na fitaomana azo na tokony hotanana amin’ny alalan’ny fisoronana raha tsy amin’ny alalan’ny fandresen-dahatra sy ny fitiavana tsy mihatsaravelatsihy ihany, F&F 121:41 .
Afaka mahazo ny fisoronana ireo lehilahy mpikambana mendrika rehetra ao amin’ny Fiangonana, FÔ 2 .