Fahotana tsy Ahazoana Famelana Jereo koa Famonoan’olona; Fanahy Masina; Manevateva; Zanaky ny Fahaverezana Ny fahotana amin’ny fandavana ny Fanahy Masina, fahotana izay tsy ahazoana famelana. Tsy hahazo famelan-keloka ny olona amin’ny fitenenan-dratsy ny Fanahy Masina, Mat. 12:31–32 (Mar. 3:29; Lio. 12:10). Tsy azo havaozina amin’ny fibebahana ireo izay efa nandray ny Fanahy Masina, Heb. 6:4–6. Fa raha minia manota isika rehefa nahazo fahalalana tsara ny marina, dia tsy misy fanatitra noho ny ota intsony, Heb. 10:26. Raha mandà ny Fanahy Masina ianao, ary fantatrao fa mandà Azy ianao dia indro, izany dia fahotana izay tsy azo ivalozana, Almà 39:5–6 (Jkb. 7:19). Tsy misy famelana ho azy, satria efa nandà ny Zanaka Lahitokan’ny Ray izy sady efa nanombo Azy ao aminy, F&F 76:30–35. Ny fanevatevana ny Fanahy Masina, izay tsy ho voavela, dia ny mandatsaka ra tsy manan-tsiny rehefa avy nandray ny fanekempihavanako vaovao sy maharitra mandrakizay, F&F 132:26–27.