Ao amin’ny Soratra Masina, ny mahantra dia enti-milaza (1) ny olona izay tsy manana ny zavatra ilaina andavanandro toy ny sakafo, ny akanjo, ary ny fialofana, na (2) ny olona izay manetry tena sady tsy miavona.
Aza manakombona ny tananao amin’ny rahalahinao malahelo, Deot. 15:7 .
Noho ny fireharehan’ny ratsy fanahy, dia enjehiny mafy ny malahelo, Sal. 10:2 .
Tsy hanan-java-mahory izay manome ny malahelo, Ohab. 28:27 .
Ento ao an-tranonao ny ory, Isa. 58:6–7 .
Noho ny hareny dia manamavo ny mahantra izy, 2 Ne. 9:30 .
Hitanana ny famelana ny fahotanareo isan’andro isan’andro, dia mizarà amin’ny fanananareo amin’ny mahantra, Môzià 4:26 .
Ary nanome tamin’ny fananany izy, ho an’ny mahantra, Almà 1:27 .
Raha manosi-bohon-tanana ny mahantra ianareo, dia zava-poana ny vavakareo, Almà 34:28 .
Niarahan’ireo Nefita nanana avokoa ny zavatra rehetra, koa tsy nisy na mpanefoefo na mahantra, 4 Ne. 1:3 .
Hotahina kokoa ireo izay manetry ny tenany nefa tsy terena hanetry tena noho ny fahantrana, Almà 32:4–6, 12–16 .
Sambatra ny ory am-panahy izay mankaty Amiko, 3 Ne. 12:3 (Mat. 5:3 ).