Paradisa Jereo koa Lanitra Ampahan’ny tontolon’ny fanahy izay iandrasan’ireo fanahin’ny marina efa nandao izao fiainana izao ny fitsanganan’ny vatana amin’ny maty. Toeram-pifaliana sy fiadanana izany. Ampiasaina koa ny paradisa ao amin’ny Soratra Masina hilazana ny tontolon’ny fanahy (Lio. 23:43), ny fanjakana selestialy (2 Kor. 12:4), ary ny toetra heni-boninahitry ny tany amin’ny Arivotaona (Fp. 1:10). Izay maharesy dia havelako hihinana avy amin’ny hazon’aina, izay eo amin’ny paradisan’ Andriamanitra, Apôk. 2:7. Ny paradisan’ Andriamanitra dia tsy maintsy manafaka ny fanahin’ny marina, 2 Ne. 9:13. Ny fanahin’ireo izay marina dia raisina ao amin’ny toetry ny fahasambarana izay antsoina hoe paradisa, Almà 40:11–12. Ireo mpianatr’i Jesoa rehetra dia efa lasana avokoa nankany am-paradisan’ Andriamanitra, afa-tsy ny telo, 4 Ne. 1:14. Handeha tsy ho ela aho hiala sasatra ao am-paradisan’ Andriamanitra, Môrô. 10:34. Nampianarin’i Kristy ireo nodimandry marina tao amin’ny paradisa, F&F 138.