Almà rainy Mpaminany Nefita ao amin’ny Bokin’i Môrmôna, izay nanorina ny Fiangonana tamin’ny andron’i Noà Mpanjaka mamohehatra. Mpisoron’i Noà Mpanjaka mamohehatra ary tamingan’i Nefia, Môzià 17:1–2. Noroahin’ny mpanjaka izy rehefa nihaino sy nino an’i Abinadia. Nandositra sy niafina ary nanoratra ny tenin’i Abinadia izy, Môzià 17:3–4. Nibebaka sy nampianatra ny tenin’i Abinadia, Môzià 18:1. Nanao batisa teo amin’ny ranon’i Môrmôna, Môzià 18:12–16. Nanorina ny Fiangonana, Môzià 18:17–29. Tonga tao Zarahemla niaraka tamin’ny olony, Môzià 24:25. Nomena fahefana hiahy ny Fiangonana, Môzià 26:8. Nitsara sy nitarika ny Fiangonana, Môzià 26:34–39. Nanolotra ny zanakalahiny ny anjara fanompoan’ny mpisorona avo, Almà 4:4 (Môzià 29:42; Almà 5:3).