Mandrakizay eo anivon’ny fianakaviana, fiainana eo anatrehan’ Andriamanitra (F&F 132:19–20, 24, 55 ). Ny fiainana mandrakizay no fanomezana lehibe indrindra avy amin’ Andriamanitra ho an’ny olombelona.
Ianao no manana ny tenin’ny fiainana mandrakizay, Jao. 6:68 .
Izao no fiainana mandrakizay, dia ny mba hahafantarany Anao, ilay hany Andriamanitra marina, sy i Jesoa Kristy, Jao. 17:3 (F&F 132:24 ).
Miadia ny ady tsaran’ny finoana, rombaho ny fiainana mandrakizay, 1 Tim. 6:12 .
Afaka mifidy ny fahafahana sy ny fiainana mandrakizay ny olona, 2 Ne. 2:27 (Hel. 14:31 ).
Ny fiheverana ny zavatry ny fanahy dia fiainana mandrakizay, 2 Ne. 9:39 .
Efa mby amin’ny lalana ety izay mitondra any amin’ny fiainana mandrakizay ianareo amin’izany, 2 Ne. 31:17–20 .
Ny mino an’i Kristy sy ny maharitra hatramin’ny farany no fianana mandrakizay, 2 Ne. 33:4 (3 Ne. 15:9 ).
Izay manana ny fiainana mandrakizay no manan-karena, F&F 6:7 (F&F 11:7 ).
Ny fiainana mandrakizay no lehibe indrindra amin’ny fanomezam-pahasoavan’ Andriamanitra rehetra, F&F 14:7 (Roma. 6:23 ).
Ny marina dia hahazo fiadanana eo amin’ity izao tontolo izao ity ary fiainana mandrakizay any amin’ny tontolo ho avy, F&F 59:23 .
Ireo izay maharitra hatramin’ny farany no hanana ny satroboninahitry ny fiainana mandrakizay, F&F 66:12 (F&F 75:5 ).
Ireo izay maty tsy nanana ny filazantsara, nefa ho nandray izany raha velona teo, dia mpandova ny fanjakana selestialy, F&F 137:7–9 .
Ny asa sy ny voninahitr’ Andriamanitra dia ny manatanteraka ny tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakizain’ny olona, Mos. 1:39 .
Omen’ Andriamanitra ny mpankatò ny fiainana mandrakizay, Mos. 5:11 .