Mikaela Jereo koa Adama; Arikanjely Anarana nahafantarana an’i Adama tany amin’ny fiainana talohan’ny fiainana an-tany. Nantsoina hoe “ilay Arikanjely” izy. “Ilay mitovy amin’ Andriamanitra” no dikan’izany anarana izany amin’ny teny Hebreo. Tonga nanampy an’i Daniela i Mikaela, anankiray amin’ireo andriana lehibe, Dan. 10:13, 21 (F&F 78:16). Amin’ny andro farany dia hitsangana i Mikaela, ilay andrian-dehibe, Dan. 12:1. Nifanditra tamin’ny devoly i Mikaela arikanjely, Joda 1:9. Niady tamin’ny dragona i Mikaela sy ny anjeliny, Apôk. 12:7 (Dan. 7). I Adama no Mikaela, F&F 27:11 (F&F 107:53–57; 128:21). Hitsoka ny trompetrany i Mikaela, ilay arikanjelin’ny Tompo, F&F 29:26. Hanangona ny miaramilany i Mikaela ary hiady amin’i Satana, F&F 88:112–115. Re namantatra ny devoly ny feon’i Mikaela, F&F 128:20.