Zavatra izay tsy ara-panahy; azo ampiasaina amin’ny heviny manokana io teny io ka ny heviny dia na mety maty sy momba izao fiainana izao (F&F 67:10 ), na momba izao tontolo izao, na momba ny nofo na ny filàna (Môzià 16:10–12 ).
Ny fiheverana ny zavatry ny nofo dia fahafatesana, 2 Ne. 9:39 .
Mandrotsirotsy ny olona amin’ny fiadanan’ny nofo ny devoly, 2 Ne. 28:21 .
Efa nahita ny tenany tao amin’ny toetra araka ny nofo avy izy, Môzià 4:2 .
Izay miziriziry amin’ny maha-olon’ny nofo azy dia mijanona ao amin’ny toetry ny fahalavoany, Môzià 16:5 .
Tsy maintsy aterak’ Andriamanitra ny rehetra, ovaina avy amin’ilay toetra manaram-batana sy lavo, Môzià 27:25 .
Efa nanjary nanaram-batana, nanaram-pilana ary niendrika devoly tamin’ny toetra ny olombelona, Almà 42:10 .
Ireo izay rehetra manaraka ny fibaikoan’ny sitrapony sy ny filan’ny nofony dia tsy maintsy lavo, F&F 3:4 .
Ny olona dia tsy afaka mahita an’ Andriamanitra amin’ny saina ara-nofo, F&F 67:10–12 .