Miankina na mametraka ny fitokiana amin’ny olona na amin’ny zavatra iray. Amin’ny raharaham-panahy, ny toky dia mirakitra fiankinana amin’ Andriamanitra sy ny Fanahiny.
Na dia hamono ahy aza izy, mbola hanantena Azy ihany aho, Joba 13:15 .
Matokia ny Tompo amin’ny fonao rehetra, Ohab. 3:5 .
Nanafaka ny mpanompony izay natoky Azy Andriamanitra, Dan. 3:19–28 .
Hatoky Anao mandrakizay aho, 2 Ne. 4:34 .
Mifalia, ary apetraho amin’ Andriamanitra ny fitokianareo, Môzià 7:19 .
Na zovy na zovy no mametraka ny fitokiany amin’ Andriamanitra, dia izy no hasandratra amin’ny andro farany, Môzià 23:22 .
Na zovy na zovy no hametraka ny fitokiany amin’ Andriamanitra dia hotohanana izy amin’ny fizahan-toetra azy, Almà 36:3, 27 .
Aza mitoky amin’ny sandry nofo, F&F 1:19 .
Apetraho amin’ilay Fanahy izay mitarika hanao ny tsara ny fitokianao, F&F 11:12 .
Aoka izy hitoky Amiko dia tsy hangaihay, F&F 84:116 .