Olona iray izay mamonjy. I Jesoa Kristy, tamin’ny alalan’ny Sorompanavotana nataony, dia nanolotra fanavotana sy famonjena ho an’ny olombelona rehetra. Ny hoe “Mpamonjy” dia anarana sy anaram-boninahitra entin’i Jesoa Kristy.
Ary ny anarany hataonao hoe Jesoa; fa Izy no hamonjy ny olony ho afaka amin’ny fahotany, Mat. 1:21 .
Mpamonjy no teraka ho anareo anio, dia Kristy Tompo, Lio. 2:11 .
Fa toy izao no nitiavan’ Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny zanany Lahitokana, mba hanavotra ny olona, Jao. 3:16–17 .
Tsy misy anarana hafa ambanin’ny lanitra nomena ny olona izay hahazoana famonjena, Asa 4:10–12 (2 Ne. 25:20 ; Môzià 3:17 ; 5:8 ; F&F 18:23 ; Mos. 6:52 ).
Avy any an-danitra no iandrasantsika Mpamonjy, dia i Jesoa Kristy, Filip. 3:20 .
Ny Ray efa naniraka ny Zanaka ho Mpamonjy izao tontolo izao, 1 Jn. 4:14 .
Hanangana Mesia ny Tompo, ny Mpamonjy izao tontolo izao, 1 Ne. 10:4 .
Ny Zanakondrin’ Andriamanitra no Mpamonjy izao tontolo izao, 1 Ne. 13:40 .
Ny fahalalana ny Mpamonjy dia hiely patrana eran’ny firenena, ny foko sy ny samihafa fiteny ary mponina tsirairay, Môzià 3:20 .
Tsy maintsy ho faty marina tokoa i Kristy mba hahatongavan’ny famonjena, Hel. 14:15–16 .
Ny fanamarinana sy ny fanamasinana amin’ny alalan’ny Mpamonjy dia mahitsy sy marina, F&F 20:30–31 .
Izaho no Jesoa Kristy, ny Mpamonjy izao tontolo izao, F&F 43:34 .
Ary ny Zanaka Lahitokako no Mpamonjy, Mos. 1:6 .
Ary izay rehetra hino ny Zanaka ary hibebaka amin’ny fahotany dia hovonjena, Mos. 5:15 .