Kristiana Jereo koa Mpianatra; Olomasina Anarana nomena ireo mpino an’i Jesoa Kristy. Na dia efa mahazatra aza ny fampiasana io teny io manerana izao tontolo izao, ny Tompo kosa dia niantso ny mpianatra marin’i Kristy ho Olomasina (Asa 9:13, 32, 41; 1 Kor. 1:2; F&F 115:4). Ireo mpianatra dia natao hoe Kristiana, Asa 11:26. Raha misy mijaly satria Kristiana dia aoka tsy ho menatra izy, 1 Pet. 4:16. Noho ny fanekempihavanana dia hantsoina hoe zanak’i Kristy ianareo, Môzià 5:7. Ireo mpino marina dia nataon’ireo tsy mpikambana tamin’ny Fiangonana hoe Kristiana, Almà 46:13–16.