Hiverina eto an-tany i Kristy amin’ny fanombohan’ny Arivotaona. Izany no hanamarika ny fahataperan’ny fotoam-pisedran’ity tany ity. Hoesorina tsy ho ety an-tany ny ratsy fanahy, ary ny marina hampakarina eny amin’ny rahona raha mbola diovina kosa ny tany. Na tsy misy aza olona mahafantatra marina ny fotoana hiavian’i Kristy fanindroany, dia nomeny antsika ireo famantarana tokony hiambenana, izay haneho fa manakaiky ny fotoana (Mat. 24 ; JS—M 1 ).
Ho avy ny Zanak’Olona amin’ny voninahitry ny rainy, Mat. 16:27 (Mat. 25:31 ).
Fa ny amin’izany andro sy ny ora izany, dia tsy misy mahalala afa-tsy ny Ray ihany, Mat. 24:36 (F&F 49:7 ; JS—M 1:38–48 ).
Iny Jesoa iny dia mbola ho avy tahaka ny nahitanareo Azy niakatra ho any an-danitra, Asa 1:11 .
Ny tenan’ny Tompo no hidina avy any an-danitra, 1 Tes. 4:16 .
Fa ho avy tahaka ny mpangalatra ny andron’ny Tompo, 2 Pet. 3:10 .
Tonga ny Tompo mbamin’ny masina tsy omby alinalina, Joda 1:14 .
Indro Izy avy amin’ny rahona ary ny maso rehetra hahita Azy, Apôk. 1:7 .
Miomàna ianareo, miomàna ianareo fa efa akaiky ny Tompo, F&F 1:12 .
Haneho ny tenako avy any an-danitra amin’ny hery Aho, ary hitoetra eto an-tany arivo taona, F&F 29:9–12 .
Asandrato ny feonao ka miantsoa fibebahana, hanomana ny lalan’ny Tompo ho amin’ny fiaviany fanindroany, F&F 34:5–12 .
Izaho no Jesoa Kristy ary ho avy tampoka ao amin’ny tempoliko Aho, F&F 36:8 (F&F 133:2 ).
Avy tsy ho ela ny andro izay hahitanareo Ahy sy hahafantaranareo fa Izaho no Izy, F&F 38:8 .
Izay matahotra Ahy dia hiandrandra ny famantaran’ny fiavian’ny Zanak’Olona, F&F 45:39 .
Haseho ny tavan’ny Tompo, F&F 88:95 .
Ny andron’ny Tompo, ilay lehibe sy mahatahotra, dia efa akaiky, F&F 110:16 .
Rehefa hiseho ny Mpamonjy, dia ho hitantsika Izy araka ny maha-Izy Azy tokoa, F&F 130:1 .
Ny Mpamonjy dia hitsangana eo afovoan’ny vahoakany sy hanjaka, F&F 133:25 .
Iza ity midina avy amin’ Andriamanitra any an-danitra manao fitafiana natoina ity, F&F 133:46 (Isa. 63:1 ).