Ny fitambaran’ny fanahy amin’ny vatana nofo sy taolana aorian’ny fahafatesana. Tsy hisaraka intsony ny fanahy sy ny vatana aorian’ny fitsanganana amin’ny maty, ary ho lasa tsy mety maty ny olona. Hitsangana amin’ny maty ny olona rehetra teraka teto an-tany noho ny nandresen’i Jesoa Kristy ny fahafatesana (1 Kor. 15:20–22 ).
I Jesoa Kristy no olona nitsangana voalohany tamin’ny maty teto an-tany (Asa 26:23 ; Kol. 1:18 ; Apôk. 1:5 ). Manome porofo maro ny Testamenta Vaovao fa nitsangana niaraka tamin’ny vatany nofo i Jesoa: foana ny fasany, nihinana trondro sy tantely Izy, nanana vatana nofo aman-taolana Izy, nikasika azy ny olona ary nambaran’ny anjely fa efa nitsangana Izy (Mar. 16:1–6 ; Lio. 24:1–12, 36–43 ; Jao. 20:1–18 ). Manamafy ny fahamarinan’ny Fitsanganan’i Kristy sy ny olombelona rehetra amin’ny maty ny fanambaran’ny andro farany (Almà 11:40–45 ; 40 ; 3 Ne. 11:1–17 ; F&F 76 ; Mos. 7:62 ).
Tsy hiara-mitsangana amin’ny voninahitra mitovy avokoa ny rehetra, (1 Kor. 15:39–42 ; F&F 76:89–98 ), Tsy hiara-mitsangana avokoa ny rehetra (1 Kor. 15:22–23 ; Almà 40:8 ; F&F 76:64–65, 85 ; 88:96–102 ). Maro ny Olomasina nitsangana tamin’ny maty taorian’ny Fitsanganan’i Kristy (Mat. 27:52 ). Hitsangana alohan’ny ratsy fanahy ny olo-marina ary hivoaka amin’ny Fitsanganana Voalohany (1 Tes. 4:16 ); Ireo mpanota tsy mibebaka dia hitsangana amin’ny fitsanganana farany (Apôk. 20:5–13 ; F&F 76:85 ).
Ary na ho levona aza ny vatako, dia ao amin’ny nofoko indray no hahitako an’ Andriamanitra, Joba 19:26 (Mos. 5:10 ).
Izaho no hanokatra ny fasanareo, ary hampiakariko avy amin’ny fasanareo hianareo, Ezek. 37:12 .
Ary nisokatra ny fasana, ka maro ny fatin’ny olomasina efa nodimandry no natsangana, Mat. 27:52–53 (3 Ne. 23:9 ).
Efa nitsangana ny Tompo, Lio. 24:34 .
Ny matoatoa tsy mba manana nofo sy taolana, tahaka izao ahitanareo Ahy izao, Lio. 24:39 .
Izaho no fananganana ny maty sy fiainana, Jao. 11:25 .
Ny Apôstôly roa ambin’ny folo dia nampianatra ny nitsanganan’i Jesoa, Asa 1:21–22 (Asa 2:32 ; 3:15 ; 4:33 ).
Ao amin’i Kristy no ahaveloman’ny olona rehetra, 1 Kor. 15:1–22 .
Izay maty ao amin’i Kristy no hitsangana aloha, 1 Tes. 4:16 .
Sambatra sy masina izay manana anjara amin’ny fitsanganana voalohany, Apôk. 20:6 .
Manolotra ny ainy i Kristy, ary maka izany indray mba hahazoany manatanteraka ny fitsanganana amin’ny maty, 2 Ne. 2:8 (Môzià 13:35 ; 15:20 ; Almà 33:22 ; 40:3 ; Hel. 14:15 ).
Raha tsy misy ny fitsanganana amin’ny maty, dia ho efa nofehezin’i Satana isika, 2 Ne. 9:6–9 .
Ho tanteraka amin’ny olon-drehetra ny fitsanganana amin’ny maty, 2 Ne. 9:22 .
Nampianatra momba ny fitsanganana voalohany i Abinadia, Môzià 15:21–26 .
Ny ratsy dia mijanona ho toy ny tsy nisy fanavotana efa natao, afa-tsy ny famahana ny famatoran’ny fahafatesana, Almà 11:41–45 .
Manazava ny manjo ny fanahin’ny olona manelanelana ny fotoana ahafatesana sy ny fotoan’ny fitsanganana amin’ny maty i Almà, Almà 40:6, 11–24 .
Amin’ny fiavian’ny Tompo, dia hitsangana ireo izay maty ao amin’i Kristy, F&F 29:13 (F&F 45:45–46 ; 88:97–98 ; 133:56 ).
Mitomania indrindra an’ireo izay tsy manana fanantenana ny amin’ny fitsanganana amin’ny maty be voninahitra, F&F 42:45 .
Ireo izay tsy nahafantatra lalàna dia hanana anjara amin’ny fitsanganana voalohany amin’ny maty, F&F 45:54 .
Hitsangana amin’ny maty ireo ary tsy ho faty rehefa avy eo, F&F 63:49 .
Ny fitsanganana amin’ny maty no fanavotana ny fanahy, F&F 88:14–16 .
Ny fanahy sy ny singa mifamatotra tsy azo sarahina dia mandray ny fahafenoan’ny fifaliana, F&F 93:33 .
Manana vatana nofo sy taolana ny anjely izay olona natsangana tamin’ny maty, F&F 129:1 .
Na toy inona na toy inona fetran’ny faharanitan-tsaina tratrantsika eto amin’izao fiainana izao, dia hiara-hitsangana amintsika izany amin’ny fitsanganana amin’ny maty, F&F 130:18–19 .