Fanompoan-tsampy Ny fivavahana amin’ny sampy na ny fifikirana tafahoatra na ny fimatimatesana amin-javatra. Tsy hanana andriamani-kafa eo anoloako ianao, Eks. 20:3 (Môzià 12:35; 13:12–13). Raha manaraka andriamani-kafa ianareo, dia ho faty marina tokoa, Deot. 8:19. Ny di-doha dia tahaka ny heloka sy ny fanompoan-tsampy, 1 Sam. 15:23. Efa naneho ny tenanao tamin’ny iray hafa noho Izaho ianao, Isa. 57:8. Efa nankalaza andriamanitra volafotsy ianao, Dan. 5:23. Tsy afaka manompo an’ Andriamanitra sy i Mamôna ianareo, Mat. 6:24. Fanompoan-tsampy ny fitsiriritana, Kol. 3:5. Rankizy, alaviro ny tenanareo ny sampy, 1 Jn. 5:21. Lozan’ireo izay manompo sampy, 2 Ne. 9:37. Ny fanompoan-tsampin’ny vahoakan’i Nefia no nahatonga teo aminy ny adiny sy ny famongorana azy, Almà 50:21. Samy manaraka ny endriky ny andriamaniny avy ny olona tsirairay, F&F 1:16. Aoka izy ireo hiasa amin’ny tanany ihany mba tsy hisy fanompoan-tsampy, F&F 52:39. Sodokan’ny fanompoan-tsampy ny rain’i Abrahama, Abr. 1:27.