I Jesoa Kristy no ilay mpanavotra lehibe ny zanak’olombelona, noho izy nandoa ny saran’ny fahotan’ny zanak’olombelona tamin’ny alalan’ny Sorompanavotany ka nahatonga ny fitsanganan’ny olona rehetra amin’ny maty ho tanteraka.
Ary ny anarany hatao hoe Jesoa, fa izy no hanavotra ny olony amin’ny fahotany, Mat. 1:21 .
Nanolotra ny ainy ho avotra hisolo ny maro ny Zanak’Olona, Mat. 20:28 (1 Tim. 2:5–6 ).
Ny Tompo Andriamanitry ny Isiraely no efa namangy sy nanavotra ny olony, Lio. 1:68 .
Nampihavanina tamin’ Andriamanitra tamin’ny fahafatesan’ny zanany isika, Roma. 5:10 .
Nanolotra ny tenany Jesoa Kristy mba hanavotany antsika ho afaka amin’ny ota rehetra, Tito. 2:13–14 .
Nanasa antsika tamin’ny fahotantsika tamin’ny alalan’ny rany i Jesoa, Apôk. 1:5 .
Ny fanavotana dia tonga amin’ny alalan’ny Mesia Masina sy ao Aminy, 2 Ne. 2:6–7, 26 .
Ny Zanaka dia nandray teo amin’ny tenany ny heloky ny olona sy ny fandikany lalàna, nanavotra azy sy nanefa ny fitakian’ny fahamarinana, Môzià 15:6–9, 18–27 .
Avy i Kristy mba hanavotra ireo izay ho vita batisa ho amin’ny fibebahana, Almà 9:26–27 .
Ho tonga eo amin’izao tontolo izao Izy mba hanavotra ny olony, Almà 11:40–41 .
Tonga amin’ny alalan’ny fibebahana ny fanavotana, Almà 42:13–26 .
Tonga i Jesoa Kristy mba hanavotra izao tontolo izao, Hel. 5:9–12 .
Navotan’i Kristy tamin’ny fahafatesan’ny vatana sy ny fahafatesana ara-panahy ny olona, Hel. 14:12–17 .
Tonga amin’ny alalan’i Kristy ny fanavotana, 3 Ne. 9:17 .
Izaho no Ilay efa nomanina hatry ny fanorenana izao tontolo izao mba hanavotra ny oloko, Ete. 3:14 .
Ny Tompo Mpanavotra anao dia niaritra fahafatesana tamin’ny nofo, F&F 18:11 .
Nijaly ho an’ny rehetra i Kristy raha mibebaka izy ireo, F&F 19:1, 16–20 .
Avotana amin’ny alalan’ny Lahitokana ny ankizy madinika, F&F 29:46 .
Izaho no efa naniraka ny Zanako Lahitokako ho eo amin’izao tontolo izao ho fanavotana izao tontolo izao, F&F 49:5 .
I Kristy no fahazavana sy Mpanavotra izao tontolo izao, F&F 93:8–9 .
Nahazo fahitana ny amin’ny fanavotana ny maty i Joseph F. Smith, F&F 138 .